Sosialy

Ambohidava Ambohidrapeto Taolambalo maro no lasan’ireo mpamaky fasana


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Nitrangana vaky fasana teny Ambohidava Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nitrangany.

 

 

 

Ireo mpihady fasana nialoha lalana ireo mpandevina tao an-toerana ny alatsinainy teo no nahita voalohany. Akory ny hatairan’izy ireo fa efa nivoha ny fasana. Ankoatra izay dia nalain’ireo tsy mataho-tody avokoa ny razana tamina farafara vato iray izay voalaza fa razambe avokoa. Ny lamba sisa no najanon’ireo mpanao ratsy. Voatery niantso mpitandro ny filaminana ireo tompom-pasana sy ny fianakavian’ny maty ka niandry fotoana maromaro ilay razana lena vao azo nampidirina indray. Nitombo avo roa heny ny fahorian’ny rehetra izay tena nanohina ny fo tokoa. Raha ny angom-baovao azo hatrany dia ity vaky ity no fasana voalohany indrindra teny Ambohidava Ambohidrapeto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT