Sosialy

Ambohidahy Nogiazan’ny polisy ny henankisoa iray sarety


  • Talata 02 Jona 2020

Nogiazana tao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany voalohany na CSP1, etsy Analakely,

 

 

 

 ny hena kisoa iray sarety ny sabotsy teo. Ankoatry ny fampandriana fahalemana, hentitra ny polisim-pirenena ny amin’ny fahadiovana sy ny fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Vao maraim-be, sarety iray nitondra hena matavy tsy misarona, avy eny Anosibe hamidy eny Analakely no nenjehana ka nentina tany amin’ny birao. Ny lehiben’ny kaomisaria CSP1, ny kaomisera Steven Randriamparany, izay nanao fanamiana sivily mihitsy no nahatsikaritra ity fitaterana manao tsinontsinona ny fahadiovana ity, nandalo iny tonelina Ambohidahy iny, raha ny fanazavana voaray. Tsy azo ekena, hoy izy, ny tahaka izao, indrindra amin’izao valan’aretina Coronavirus efa mihanaka izay tsy izy, sady mamono olona izao. Homena fampitandremana sy lesona mafy ny tompon’ny sarety sy ny entana ka halefa avy eo, raha ny fanampim-panazavana voaray, satria dia voalaza ho mbola naniratsira mpitandro filaminana koa ilay tompon’entana.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT