Sosialy

Ambohidahy Ankadindramamy Tsy manaiky ny fanesorana tsy ara-drariny ireo mpivarotra


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Manao antso avo amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy mba hijery azy ireo manoloana ny fikasana ataon’olon-tokana hanaisotra azy ireo amin’ny tsenany.

 

 

Manoloana ny tranon’io olona io, fa tsy amin’ny taniny satria amin’ny arabem-panjakana io kanefa tadiavina hesorina amboletra ireo mpivarotra, hoy Randrianarimalala François Roger Filohan’ny FIMPIA na ny Fikambanan’ny Mpivarotra Ambohidahy. Tsena 14 eo ambonimbony kelin’ny Fokontany no tena voakasika, saingy miray feo sy tsy manaiky ny tsy rariny ny mpivarotra an-jatony maro ao anatin’ny FIMPIA, izay efa 25 taona no nijoroany ara-dalàna, hoy kosa Rtoa Lala Delegen’ny tsena. Nambarany fa tsy menatra mihitsy ilay olona tonga dia manao resaka ara-bola mba ho sandan’ny tsy fanesorana ireo mpivarotra. Mitondra olona voalaza fa vadin-tany na mpiasan’ny kaominina mikasa hanala an’ireo mpivarotra io, saingy rava maina hatrany amin’ny maha tsy azy ny tany. Efa in-telo no nisy fikasana hanilika ireo mpivarotra ka tamin’ny 4 taona lasa sy talohan’izay no natao izany saingy ny teo anivon’ny Kaominina no nijoro sy niaro azy ireo ary nanamafy fa tanim-panjakana io. Miova ny mpitantana ny kaominina, dia mitady làlana hanesorana ireo mpivarotra indray izy, hoy ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT