Sosialy

Ambohibary Sambaina Narian-dreniny ilay zazavavy kely


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Napetran'ilay reniny tamin'olona iray aty amin'ny kaominina Ambohibary, faritra Vakinankaratra io raha araka ny vaovao azo.

Nilaza ilay ramatoa hoe "andraso kely vetivety ity zanako ity fa miverina eo aho avy eo". Tany anefa izy dia tsy hita intsony hatramin’ny fotoana nanoratanay ny vaovao omaly hariva. Mijaly fatratra ilay zaza vokatr’izany. Mitomany foana ihany koa raha mbola hariva ny andro ary efa manomboka tsy mihinan-kanina intsony.Efa misy ny fandraisan'andraikitra momba azy raha araka ny fantatra saingy na izany aza tena mitady fatratra ny fianakaviany ity zaza tsy manan-tsiny ity. Ireto amin'ny sary ireto moa ny taratasy tafajanona niaraka tamin’ilay zaza ka avy eny Miandrarivo Faratsiho ilay reniny.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT