Sosialy

Ambohibarikely Paraky Raim-pianakaviana iray maty voatsatok’antsy


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona omaly maraina no efa hitan-janany nitsitra tsy nisy fofon’aina intsony tetsy amin’ny tranompatin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

 

 

 

 Mpivarotra ronono masaka sy mofo etsy Anosy izy io raha ny fanadihadiana natao, fantatry ny maro amin’ny anarana Dadanaivo. Raha araka ny fanazavan’ireo zanany dia tsy tena nahalala ny zava-nitranga izy ireo satria vao omaly no nivarotra noho ny famadihan-drazana tsy maintsy natrehiny tany ambanivohitra. Ny manodidina kosa no nilaza fa alinalina foana i Dadanaivo vao nody tato ho ato noho  ny tsena tsy mandeha.  Afak’omaly alina dia tamin’ny 8 ora sy sasany izy vao niala teny Anosy, toerana fivarotany handeha hamonjy ny trano fonenany eny Ambohibarikely Paraky. Nandritra izany anefa no narahina jiolahy mpamono olona izy ka teo amin’ny feny no notsindromin’ireo tsy mataho-tody ny antsy. Mbola hitan’ireo zanany raha ny fanazavan’izy ireo  ilay ra be nivoaka, 5 metatra miala ny fokontany Ambohibarikely. Lasan’ireo mpanao ratsy ny poketra nisy ny vola azony tamin’iny andro iny,  ny kara-panondrony,  ny findainy izay mbola naneno ary nisy nandray omaly maraina saingy novonoiny avy eo. Raha araka ny feo mandeha moa dia nahazo vola tamin’ny PMU ihany koa izy tamin’ny herinandro ka mety izay no nanosika ireo mpanao ratsy namono nahafaty azy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT