Sosialy

Ambohibao Antehiroka Laharam-pahamehana ny fanadiovana ny tanàna


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Maika ny asa fampandrosoana ho an’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

 

 

Lohalaharana amin’izany ny asa fanadiovan-tanàna, ny fandrindrana ny fifamoivoizana, ny fandraisana olona eo anivon’ny kaominina mba ho toerana hahatamana ny rehetra. Nivoitra io ny sabotsy teo nandritra ny fametrahana tamim-pomba ofisialy ny ben’ny tanàna Rivolalaina Vonjy Arthur tamin’ny toerany, narahin’ny fampisalorana azy ny samboady. Teny amin’ny kianjan’ny Mazda eny Ambohibao Antehiroka no nanatanterahana ny lanonana, notronin’ireo solombavambahoaka mirahalahy voafidy teny Ambohidratrimo sy ireo ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina 24 mandrafitra ity distrika ity. Hampiavaka an-dRivolalaina Vonjy Arthur raha araka ny fanazavany ny fisokafany amin’ny rehetra amin’ny fiaraha-miasa ho enti-mampandroso ny tanàna. Aoka izay, hoy izy ny hampom-po politika izay tsy nahafahana nampandroso ny firenena hatramin’izay fa aleo mifanome tanana amin’ny fampandrosoana iraisana mba hisy akony amin’ny isam-baravarana. Fiaraha-miasa notanterahina tao amin’ny la residence Vatosoa moa no namaranana ny lanonana raha natomboka tamin’ny vavaka izany.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT