Sosialy

Ambodizozoro Ampitatafika Nahazo paompin-drano fisotro madio rehefa ela nijaliana


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Fokontany iray ao anatin’ny kaominina Ampitatafika ny Fokontany Ambodizozoro. Tamin’ny taona 2009 no nanana

paompin-drano fisotro madio farany izy ireo vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny UNICEF. Nisedra olana anefa ny foto-drafitrasa noho ny haintany sy ny hasarotan’ny fitarihin-drano ka voatery niverina naka rano tany anaty vovo ireo mponina tao amin’ny sektera II. Efa 12 volana ny nijaliana rano araka izany ny mponina antony nanavaozana ity paompin-drano ity. Ny kaominina iray manontolo notarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina no nanamboatra sy nanavao izany iray manontolo izay ho afaka hamatsy mponina an-jatony. Na izany aza tsy maimaim-poana ny fakana ny rano. Hisy vola tsy maintsy hoalohan’ny isan-tokantrano mantsy ho fandraisana anjara amin’ny fikojakojana izany sy ho fanakaramana ny olona hiambina ny paompy. Navadika ho paompy tanana moa izany. Ankoatra ity paompy ity dia notoloran’ny Ben’ny tanàna lelavola 3 hetsy Ar ihany koa ireo zatovolahy mpanao baolina ao amin’ity Fokontany ity hividianany baolina sy maillot.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT