Sosialy

Ambodinisotry sy ny manodidina Tafakatra 3.000 Ar ny rano iray bidon omaly


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Tafakatra 3.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo nanomboka ny alakamisy lasa teo teny Ambodinisotry sy ny manodidina tonga hatrany amin’ny 67Ha avaratra atsinanana.

 

 

 Noho ny fahatapahan’ny rano vatsian’ny JIRAMA no nahatonga izany, hany ka nanjaka tanteraka ireo mpanera milaha-drano eny amin’ny paompy. Fenon’izy ireo ny filaharana raha ny fanazavan’ny mponina ary amidiny lafo dia lafo avy eo, indrindra ho an’ireo  monina amina toerana somary miditra elakela-trano sy lavitra paompin-drano. Mbola nitohy hatramin’ny omaly zoma maraina io tranga io. Antony nahatapaka ny rano teny an-toerana moa ny fisian’ny asa fanamboaran-dalana eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny, hoy ny avy eo anivon’ny JIRAMA ka nanapaka ny fantsona mitondra izany mivelona any ambanin’ny tany. Tapaka koa ny jiro saingy efa  voavaha omaly ny olana. Ho an’ireo tsy nanana fahafahana ny nividy rano nentin’ireo mpikarama an’ady moa dia tsy vitsy tamin’izy ireo no nionona tamin’izay ambin-drano nisy tao an-tokantranony  ankoatra ireo nandeha nitady vovon-drano tsy handoavam-bola.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT