Sosialy

Ambodin’Isotry Misavovona tonga eny afovoan’ny arabe ny fako


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Misavovona indray ny fako eto an-drenivohitra. Ho an’ny etsy Ambodin’Isotry raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia efa ho andro maromaro izao no tsy nisy naka intsony izany.

 Vokany, tonga hatreny afovoan’ny arabe ny fako izay mila hanapaka ny arabe mihitsy no sady mamoaka fofona. Mahatsiaro ho sahirana ny mponina araka izany indrindra fa ireo manana ankizy madinika. Toraka izany koa ireo mpivarotra hani-masaka sy hena eny an-toerana ary trondro. Hitangoronan’ny lalitra mantsy ny entana hamidin’izy ireo ka mihemotra hatramin’ny mpividy. Marihina anefa fa ankoatra ireo fako toy ny harona sachet plastika mainty, ny tavoahangy dia fako karazan-tsakafo lo, ny hoditra voankazo isan-karazany toy ny lodisia sy manga ity fako ity ka ahiana hiteraka aretina ny fofona entiny. Antso avo araka izany no hatao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hijery akaiky ny mikasika izany.
Pati
(sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT