Ambodifahitra, Ambohidrabiby

Miaina anaty aizina ny mponina


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Mampalahelo raha toy izao avokoa ny manjo ny mpanjifa herinaratry ny JIRAMA,

hoy ny Mpitandrina Lazasoa Rivondrabevalala Rakotondranaivo, mitantara ny zava-misy ao Ambohidrabiby, kaominina iadidiany, ny sabotsy teo. Efa nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona 2024 ity no nianjera ny andrin-jiro eto Ambodifahitra, kaominin’Ambohidrabiby, hoy izy. Tapaka ny jiro eto amin'ny fokontany ka dia miaina anaty aizina tanteraka ny mponina ety Ambodifahitra amin'izao taona vaovao 2024 izao. Ny tena mampalahelo dia tsy afaka miasa ireo olona mivelona mampiasa milina amin'ny herinaratra. Vao nitranga ny fahatapahana dia efa niantso ny laharana maitso 547 JIRAMA izahay ary nahazo ny “référence” na fampahafantarana fa voarain'izy ireo ny fitarainana. Samy niantso ny laharana maitso JIRAMA avokoa na ny vahoaka tsotra, ny fokontany. Ny ben'ny tanàna aza dia namerina niantso isan'andro saingy hatramin'izao ora izao dia mbola tsy tonga ny JIRAMA. Ambodifahitra dia 19km manaraka ny RN3 mivily 900m miala ny lalam-pirenena. Fitarainana ihany izao fa afaka hanao inona tokoa moa izahay fa dia miandry ny faktiora volana janoary izay tsy maintsy aloha ara-potoana. Mankahery antsika mponina tsirairay fa dia zakain'ny miakandrefam-baravarana izy ity, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT