AMBODIAMPANA BEALANANA

Renim-pianakaviana teraka kamban-telo


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no fantatra fa teraka kamban-telo,

roavavy iray lahy afak’omaly Sabotsy 24 Aogositra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodiampana, distrikan’i Bealanana. Tao amin’ny CHRD II Bealanana no teraka ity Renim-pianakaviana ity, tranga vao sambany no niseho tany an-toerana. Fantatra tamin’izany fa zanany voalohany izy 3 mianadahy kely ireo. Ny mampalahelo anefa dia kely sy tsy ampy lanja izy mirahavavy kely raha salama tsara kosa ilay lahy iray. Mangataka fanampiana amin’ireo tsara sitra-po noho izany ity Renim-pianakaviana ity mba hifanohana aminy. Tsy maharaka ihany koa mantsy ny nonony ka tokony omena fanampin-dronono hafa izy 3 mianadahy kely.
Pati
Legende : Ireo zaza kamban-telo vao teraka sy ny Reniny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT