AMBOASARY GARA MORAMANGA

Olona 70 isa tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Olona maherin'ny 70 isa no narary vokatry ny fihinanana sakafo misy

poizina tany Amboasary gara, distrikan’i Moramanga ny fiandohan’ny volana Janoary lasa teo izany hoe : ny andron’ny taom-baovao mihitsy. Raha araka ny fantatra dia olona nivavaka ary niara-nisakafo noho ny fitsenana ny taona vaovao 2024 izy ireo. Tombanana ho mety vokatry ny fihinanana maionezy tamin’ny sakafo no nahatonga izao loza izao raha mandeha ihany koa ny feo fa sardines tao anaty boaty efa lany daty no nanapoizina azy ireo. Betsaka ireo fanina dia nandoa nandritra izany raha nisy ihany koa avy hatrany dia nipiriritra nivalana…. Efa nisy namonjy fodiana moa ny sasany tamin'ireo marary hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo olona narary tratra ity fahapoizinana ara-tsakafo ity !

SARY INDRANA

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT