Sosialy

Amboasary Atsimo Tafakatra 1.822 ireo tratry ny tsy fanjariantsakafo


  • Talata 29 Desambra 2020

Tafakatra 1.822 isa ireo olona lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny

 

 

distrikan’Amboasary Atsimo, hatramin’ny 24 desambra lasa teo. Fampitam-baovao avy amin’ny CCO-K Amboasary Atsimo no nahafantarana izany ka ireo zaza latsaky ny 5 taona no maro an’isa indrindra amin’izany. Noho ny tsy fisian’ny hanin-ko hanina any an-toerana mantsy dia hifampizaran’ireo ankizy efa tratry ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ireo zokiny sy ny manodidina azy indray izay tokony ho anjarany hany ka samy tsy misy avotra na ireo efa tratry ny tsy fanjarian-tsakafo na ireo hafa manodidina azy. Vokany, mitombo hatrany ireo lasibatra. Hiezaka araka izany ireo tompon’andraikitra any an-toerana hitety ireo Fokontany misy olona tena mila fanampiana hisorohana ny aina mety hafoy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia mbola mahazo vahana tanteraka ny hafanana amin’izao any an-toerana. Mbola miaina amin’ny fisotroana rano maloto sy ny fihinanana raketa mena ny mponina mba hahafahany mivelona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT