Sosialy

Amboasary Atsimo Manomboka ny fanisana ireo tena marefo ara-tsakafo


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nanomboka ny alarobia 21 Oktobra teo ny fanisana ireo olona izay tena ianjadian'ny tsy fahampian-tsakafo ao amin'ny Kaominina Amboasary Atsimo, faritra Anosy.Miara-manatontosa izany ireo mpiasan'ny fahasalama miisa 38, miaramila 38 , Croix Rouge 19 ary mpanaramaso 10.

 

Hovitaina ao anatin'ny 4 andro ny fanisana mba ahafahana mametraka vahaolana maharitra hiadiana amin'ny Kere sy hamantarana ny mety ho tsy fahampian-tsakafo. Mandritra izany dia mitohy ny fizarana rano sy sakafo ho an'ny mponina. Tinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo fa hisy ny fandaminana manokana handrindrana ny asa sy ny fandefasana ireo miaramila mpitsabo hitantana ireo “Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale”. Hisy koa ny fandalinana sy fanamafisana ireo tetikasa maharitra sy fotodrafitrasa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimo ary koa ny fandrindrana ny fanampiana rehetra entina manohana ireo mpiray tanindrazana any atsimo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT