Sosialy

AMBOASARY AMBOHIBOLA Nivadika ho fivarotana tany ilay tetikasa hanariana riam-potaka


  • Talata 11 Febroary 2020

Niantso mpanao gazety ary nitaraina mafy mikasika ny tranga mahazo azy ny komity mpiaro ny tany ao amin’ny fokontany Amboasary,

 

kaominina Ambohibola, distrikan’Ambohidratrimo omaly. Raha araka ny fanazavan-dRakotoniaina Jean de Dieu Donné izay nisolotena azy ireo mantsy dia  any amin’io toerana io no kasain’ny Fitondram-panjakana hotanterahina ilay tetikasa hanariana ny riam-potaka avy amin’ny Canal C3 ka efa nisy ny lavaka be natao ao Amboasary. Ny nahavariana anefa rehefa nandeha ny fivoriam-pokonolona dia nivadika ho fanekena fivarotana tany indray  ilay taratasy nosoniavin’izy ireo nanamarinana ny fahatongavany nanatrika izany  izay tena loza mitatao ho an’ny fiarahamonina tokoa, tsy nandalo teo anivon’ny fokontany. Tsy ny fanjakana mivantana, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity no manao izany fa misy mpanelanelana ka tany mirefy 4 ha no kasain’izy ireo alaina. Nanambara ary ity solontenam-pokonolona ity fa sady tsy hanaiky ilay tetikasa fanariana riam-potaka izy ireo no tsy hivarotra ny taniny ihany koa, izay tetikasa manimba ny tontolo iainana sady manapotika ny asa fambolena izay foto-piveloman’izy ireo.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT