Sosialy

Amboanana Arivonimamo Mbola tsy voalevina rangahy dia maty indray ny vadiny


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Faty roa no tsy maintsy indray hiara-hiditra ny fasana raha tsy maintsy tsaboina koa ireo naratra. Mpivady izy ireo ka ilay Ramatoa no nialoha lalana voalohany.

 Teny an-dalana handeha handevina ity farany anefa ny fianakaviana ny 09 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina no tra-doza ny fiara nitondra ny fianakaviana. Namoy ny ainy vokatr’izany ihany koa ilay lehilahy iray 52 taona maty vady raha nahatratra 18 be izao ireo naratra. Raha araka ny fantatra dia tratran'ny olana ara-teknika ilay fiara ka teo am-panamboarana izany ny mpamily sy ny mpanampy azy no nihemotra tampoka ilay fiara. Nivarina tany an-kady ilay fiara vokatr’izany ka nanano sarotra ny famoahana ireo olona tao anatiny. Tany Amboanana Arivonimamo no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT