Sosialy

Ambilanibe Anosibe Vehivavy bevohoka iray nianjera ka naratra noho ny lalan-dratsy


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Mafy ny mahazo ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ambilanibe Anosibe, kaominina Antananarivo renivohitra.

Hatramin’ny nisian’ilay tetikasa fanamboarana ny lalan-drano C 3 izay mandalo eny an-toerana mantsy dia voatery norakofana tanimenabe ilay lalana tara hifamezivezen’ny mponina eny amin’iny faritra iny. Lasa feno fotaka mandrevo ny lalana vokatr’izany ka ankoatra ireo ankizy mpianatra madinika izay tena atahorana mafy dia vehivavy bevohoka iray ihany koa afak’omaly no fantatra fa nianjera tamin’iny lalana iny ka naratra mafy. Velon-taraina ny mponina vokatr’izany. Toy ny tsy eto an-drenivohitra intsony mantsy izy ireo raha ny zava-misy iainany. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra araka izany izy ireo mba hanala ireo tanimemanabe nandrakofana io lalana io hiverenan’ilay lalana tara toy ny teo aloha indray. Mbola ho ela rahateo hoy izy ireo vao hifarana ny fotoam-pahavaratra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT