Sosialy

Ambavahaditokana Tsy nisy zandary mamo naka ny volan’ny mpivarotra izany


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Ankoatra ny teny Anosizato Andrefana izay voatery nandefasana baomba mandatsa-dranomaso mihitsy ho fampodiana ny mponina taorian’ny tamin’ny 12 ora atoandro dia nitrangana toe-javatra tahaka izany ihany koa teny Ambavahaditokana Itaosy,

 

 

 samy distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Rehefa tsy nety nangoron’entana mantsy ireo mpivarotra na dia efa nanaovana fanentanana ho fiarovana ny fiparitahan’ny coronavirus aza dia voatery niantso mpitandro ny filaminana ny Ben’ny tanana. Tsy mbola nanaiky niala ihany anefa iretsy voalohany rehefa noresena lahatra ka voatery nanala ny entana ny mpitandro filaminana antony niteraka ny toraka sy tabataba ary ompa teny an-toerana. Nisy andian'olona nanao sakan-dalana ihany koa nandritra izany ka voatery nandefa ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Taorian’izay anefa dia niely ny vaovao tamin’ny tambajotra facebook fa nisy tamin’ireo mpitandro ny filaminana nanao izany no mamo no sady mbola naka ny vola sy ny fananan’ireo mpivarotra ihany koa. Nanamafy moa ny Ben’ny tanana ao an-toerana fa tsy nisy izany velively tao amin’ny kaominina hiadidiany no sady tsy nisy mpitandro ny filaminana mamo ihany koa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT