Sosialy

Ambavahaditokana Ny vola efa voaloa, ny Jiro 80 an’ny Jirama tsy tonga


  • Talata 28 Jona 2022

Jiro miisa 80 isa no tokony apetraky ny orinasa JIRAMA ao anatin’ny kaominina Ambavahaditokana Atsimondrano saingy tsy mbola tonga hatramin’izao.

Mitentina 80 tapitrisa Ar ny vola efa naloan’ny kaominina raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ratoetrarinanja Jean Louis tamin’ny alalan’ny taxe. Tena ilaina anefa ny jiro hahafahana manazava ny tanana raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany. Na ny vato hanamboaran-dalana aza mantsy hoy izy hangalarin’ny olona, antony nanomezana fahefana ny polisy sy ny zandary teny an-toerana. 2 km amin’ilay tetikasa lalan-kely mirefy 5 km hatao rarivato sisa no tsy vita ao anatin’ity kaominina ity. Ny 1 km amin’izany no vatsian’ny Ministeran’ny asa vaventy vola raha ny Agence Française de developpement kosa no mamatsy vola ny lalana 4 km ambiny. Saika mahazo tombontsoa amin’ny fahavitan’ity tetikasa lalankely andiany fahatelo ity avokoa ireo Fokontany 6 mandrafitra ny kaominina hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa paompin-drano fisotro madio miisa 13 ihany koa raha kely no efa natsangana ao anatin’ity kaominina ity hahafahan’ny mponina misitraka izany. Santionany amin’ny asa mandeha ihany ireo raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany.
Pati
Legende : Miezaka amin’ny fametrahana jiro hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny kaominina Ambavahaditokana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT