AMBATOROKA AMBANY….

Fianakaviana an-jatony no dibo-drano tanteraka


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Fianakaviana an-jatony no dibo-drano tanteraka tao amin’ireo Fokontany miisa 5

eto Antananarivo renivohitra nandritra ny ranon’orana ny Zoma alina lasa teo. Anisan’izany ny Fokontany Ambatoroka ambany, Amboara, Ambohidempona, Tsiadana, Ambomiandra ary Ambohipo. Vokatry ny fanampenan’ny tompon’ny tany iray eny an-toerana ny tata-drano no anisan’ny nanentsina ny fivoahan’ny rano tao amin’ireo Fokontany ireo raha araka ny fitarainan’ny mponina. Niainga teo amin’ny sampanana Ambohipo ny rano vokatr’izany, nitohy hatrany Ambatoroka ambany izay tonga hatreny an-dohalika mihitsy. Voatery nampiasa fitaovana fitrohana rano ny mponina vokatr’izany ka tsy mbola ritra izany tao anatin’ny adin’ny 2 ho an’ny Fokontany Ambatoroka ambany. Manahy mafy ny mety ho loza mety hahafaty olona aterak’ity fiangonan’ny rano ao amin’ny faritra misy azy ity ny mponina manerana ireo Fokontany miisa 5 ireo vokatr’izany. Na ny lalana handehanan’ireo mpianatra avy mianatra aza mantsy tsy misy intsony. Zakan’ilay rano hatreny an-dohalika rahateo ireto farany raha vantany vao avy ny orana koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony sy ny mpitondra fanjakana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny rano teny Ambatoroka ambany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT