Sosialy

Ambatondrazaka Olona 4 saika matin’ny fihinanana maionezy


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Mety hahafaty ny mainonezy raha milon’andro na koa efa nodanian’ny masoandro be tafahoatra nefa mbola hohanina ihany.

 

 

Olona efa-mianaka no voatery naiditra hopitaly tany Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka ny alatsinainy lasa teo, rehefa avy nihinana sakafo nisy maionezy. Sakafom-piangonana niara-nihinana no nahatonga izany. Tsy niandry ela fa tamin’io fotoana io ihany dia nisy narary an-doha mafy ny sasany tamin’izy 4 ireo raha nisy ihany koa ny nivalana. Na izany aza efa voaray an-tanana avokoa izy ireo ary tsy misy ahiana ny ainy. Tsiahivina moa fa ny atodim-borona havadika ho maionezy ihany koa dia mety hitarika fahapoizinana ara-tsakafo tahaka izao ka tokony samy hitandrina ny tsirairay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT