Niteraka fifandonana teo amin’ny mpivarotra sy ny mpitandro filaminana tao Ambatondrazaka omaly ny fampiharana ny Didim-pitondrana noraisin’ny Prefektiora hanakatonana ny tsena rehetra manomboka amin’ny 1ora. Tsy nisy aloha ny naratra na izany aza.
Misy ny milaza fa manenjika volan’olona, maro no maneho fa tsy manan-kohanina. Efa voatandrina ny elanelana iray metatra, ary efa mitapim-bava, ka tokony havela malalaka ary tsy amin’ny 1ora no mivoaka ny covid-19, hoy ireo mpivarotra. Raha misy ny fanampiana sy fitsinjovana anay, dia tsy olana fa afaka mitsahatra amin’ny fameloman-tena, hoy ny sasany. Tao anatin’ny adin’ny telo ny fifandaminana teo amin’ny mpivarotra sy ny mpitandro filaminana. Asa izay ho tohiny, fa mafampana ny raharaha. Saika manerana ny tanàna no mivoaka ny olona, ary misitrika rehefa mandalo ny mpitandro filaminana. Mbola andrasana kosa hatramin’izao ny valin’ny fitiliana ilay mpiasan’ny colas ahiana ho voan’ny covid-19, izay voalaza fa efa mihatsara ny fahasalamany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.