Sosialy

Ambatondrazaka Mitombo isa ireo zaza mangataka sy mangalatra


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia efa miparitaka any amin’ny faritra ihany koa ireo Ray aman-dReny maniraka ny zanany hangataka.

Toraka izany ny fampandehanana azy mirenireny eny rehetra eny mba hialana amin’ny fampianarana sy ny famelomana azy…. Voakasik’izany ny ao Ambatondrazaka tampon-tanana. Zaza tsy ampy taona manodidina ny 06 hatramin'ny 12 taona no hita mirenireny mangataka eny amoron-dalana rehetra eny amin’izao any an-toerana. Mitombo isa hatrany izy ireo raha araka ny vaovao azo ary misy mihitsy ireo hirahan' ny Ray aman-dReniny mangataka hanampiana ny vola miditra ao an-tokantrano. Ireo vita ihany fa ny tena loza dia misy mangalatra mihitsy izy ireny ka maka ny entan'ny mpiantsena ao amin’ny tsenan'Ambatondrazaka. Maro amin’ireo mpiantsena no efa lasibatra ary velon-taraina vokatr’izany. Miantso ny tompon'andraikitra mba hijery akaiky izay halatra hataon’ireo ankizy madinika ao amin’ny tsenan’Ambatondrazana izany ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT