Sosialy

AMBATONDRAZAKA Karohana fatratra ireo jiolahy mpanolana


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Ankoatra ny fanadihadiana lalina tanterahin'ireo mpitandro filaminana, efa midina ifotony am-panamborana ireo jiolahy nahavanon-doza izay nanolana ilay renim-pianakaviana tao Ambatondrazaka izy ireo.

 

 

 Misy vaovao mbola miandry fa voatana ny tsiambaratelon'ny famotorana sao ireo malaso indray no maharaka mialoha ny vaovao ka mety hilefa na hamaly bontana. Voalazan'ny lehiben'ny kaompanian'ny zandary ao Ambatondrazaka fa noho ny fifandaminana dia nankinina tamin'ny polisy ny raharaha. Ny kaomisera lehiben'ireto farany no nanambara fa tsy mbola nisy voasambotra aloha hatreto ireo olon-dratsy.

Tsiahivina moa fa ny alarobia 8 janoary teo, tao Antsahamarova, Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro no niseho ny fanafihana mitam-piadiana. Maherin'ny 10 ireo jiolahy nanolana ilay renim-pianakaviana voatafika sady mbola nangalatra moto sy ny entana maro tao an-tokantrano. Noho ny hery tsy nitovy dia tsy sahy nanohitra ilay fianakaviana lasibatra ary tsy sahy niantso vonjy raha tsy efa nilefa ela ireo tsy matahotody noho ny tahotra ny aina sy ny valifaty iverenan'ireo jiolahy izay mitam-piadiana. Voalaza moa fa novetavetain'ireo tsy valahara teo imason'ny zanany ilay renim-pianakaviana tsy manantsiny. Mirohotra ny tsy fandriampahalemana, tsy an-tsaha tsy an-tanana ka miandrandra ny paikadin'ny fitondrana izay mijoro hatrany ny olompirenena mba isorohana ny tranga mamohehitra toy izao, indrindra ny fanolanana mampivarahontsana mianjady ireo vehivavy.

HN

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT