Sosialy

Ambatondrazaka Efa ho lava ny delestazy


  • Talata 11 Septambra 2018

Tapaka matetika ny herinaratra ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro.

 

 

 In’efatra isan’andro io fahatapahana io nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ary maharitra ora roa na telo indraindray. Ny fokontany Avaradrova Avaratra, Antanifotsy ary Madiotsifafana no tena lasibatra tato ho ato. Tsy fahampian’ny solika miharo fahanteran’ny milina mpihary herinaratra no voalaza fa anton’io fahatapatapahan-jiro lava io. Mikorontana noho izany ny asa fiharian’ny mponina miankina amin’ny herinaratry ny Jirama. Mitebiteby koa ny olona manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy, manararaotra ny haizina.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT