Sosialy

Ambatomirahavavy Mikaikaika noho ny delestazy ny mponina


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Simba avokoa ny ankamaroan’ny fitaovana, ora iray isan’andro raha kely no miaina ao anaty delestazy ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Ambatomirahavavy.

 

 

 

 

 Miverina tampoka ny jiro aorian’izany ary mety hahery na kely hery raha oharina amin’ny mahazatra, antony mamotika ireo karazam-pitaovana maro samihafa mandeha amin’ny herinaratra eny an-toerana toy ny solosaina fampiasa ao amin’ny birao. Mahita faisana avokoa na tokantrano na mpivarotra na orinasa na toeram-pianarana. Ho an’ny “Centre de formation professionnelle en informatique et de gestion” CFProig izay hany ivontoerana tokana manofana ireo tanora eny an-toerana dia efa tafakatra folo hatreto ny isan’ireo solosaina fampiasana amin’ny birao potika tanteraka. Voatery mampiasa solosaina entin-tanana izy ireo vokatr’izany mba hanampiana ireo ankizy mpianatra eny ambanivohitra. Raha araka ny fanazavan-dRabenatoandro Minomanana, mpampianatra ao amin’ny CFProig moa dia efa nisy ny fitarainana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny fokontany sy ny kaominina teo anivon’ny JIRAMA saingy valin-teny boribory no azony dia ny tsy maintsy hanoloan’izy ireo ny “transformateur” eny an-toerana izay tena lafo dia lafo tokoa. Miantso ny hijeren’ny fanjakana ny olana sedrain’ny ivontoeram-pampiofanana manofana tanora tahaka azy ireo araka izany Rabenatoandro Minomanana. Nisy ny famoahana mpianatra notanterahin’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Miisa 45 mianadahy izy ireo, nianatra nandritra ny telo volana sy tapany ka anisan’ireny ny opérateur de saisie, ny informatique bureatique, ny comptabilité generale informatisé…Tanjon’ity ivontoerana iray ity ny hanampiana ireo tanora eny ambanivolo tsy hanaotao foana toy ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra izay mitarika any amin’ny vohoka tsy niriana aloha loatra….ankoatra ny ady amin’ny tsy fananan’asa.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT