Sosialy

Ambatomarina – Amoron’i Mania Tanora tantsaha 30 niofana mikasika ny fambolena anana


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Tanora tantsaha miisa 30 tao amin'ny Kaominina Ambatomarina, Distrika Manandriana, Faritra Amoron’i Mania no nahazo fiofanana mikasika ny fambolena anana nandritry ny 27 andro.

 

 

Fiaraha-miasan'ny Institut Supérieur de Technologie d'Ambositra na IST-A sy ny foibem-paritry Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono Amoron'i Mania amin'ny alalan'ny tetik'asa Formaprod no nahavitana izao fanofanana izao. Nandray an-tanana ny famolavolana sy ny fampiofanana ny IST-A, ny Formaprod kosa nanao tantsoroka ara-pitaovana. Fiofanana anaty trano ny azy 30 mianadahy fa hitohy amin'ny dingana fampiharana indray eny an-tsaha mandritra ny enim-bolana hatramin'ny herintaona, ka notolorana fiataovana izy ireo hiatrehana izany.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT