Sosialy

Ambatolampy Zaza tsy ampy taona nahatrarana “Film x” sy rongony


  • Alarobia 04 Aogositra 2021

Efa tena manita-tsaina ireo zaza tsy ampy taona eto amintsika.

 Zaza tsy ampy taona efa-dahy 15 ka hatramin’ny 17 taona no nahatrarana horonan-tsary mihetsika mamoafady tany aminy afak’omaly tokony ho tamin’ny 11 ora alina, tao an-tanànan’Ambatolampy. Zandary 3 lahy nanao fisafoana no nahatratra azy azy ireo izay mbola teo am-pifohana rongony ihany koa teo akaikin’ny Paositra Andafiatsimo.Rehefa nosavaina izy ireo dia mbola nisy rongony 2 tsy mbola novakiana sy DVD “film X” 2 sy “film” vazaha 2 . Nentina tany amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ambatolampy avy hatrany izy ireo natao famotorana. Nampiantsoana ihany koa ireo Ray aman-dRenin’izy rehetra hanatrika sy hatao famotorana .
Pati 
(Sary Zandarimariam-pirenena)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT