Sosialy

Ambatolampy Tokantranona zandary 7 tratra nangalatra herinaratra


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Trano miisa fito, fonenan'ny zandary any Ambatolampy no tra-tehaka nangalatra herinaratry ny JIRAMA, ny 05 desambra lasa teo.

 

 

 Ny dimy tamin’ireo dia fanindronana taribian-jiro hisintonana herinaratra mialoha ny kaontera. Ny iray dia ilay antsoina amin'ny voambolana teknika vahiny hoe "shunt". Ny tsy fifanarahan'ny fandaniana sy ny faktiora nefain'ireo tokantrano ireo no nampiahiahy ny JIRAMA ka nahatonga ny fidinana ifotony natao tany an-toerana. Nampiharina tamin’izy ireo avy hatrany ny lalana noho izany ka notapahana ny herinaratra tao amin'ireo tokantranona mpitandro ny filaminana ireo. Nampanantsoina teny amin'ny masoivohon'ny JIRAMA izy ireo hanonitra ny sandan'ny herinaratra nangalariny izay manodidina ny 8 tapitrisa Ar. Tsy lavitra fa mbola tao Ambatolampy ary mbola zandary ihany koa ireto tokantrano dimy monina ao amin'ny trano lehibe roa fantatra amin'ny anarana hoe "Trano kambana". Tratra nangalatra herinaratra koa izy ireo. Ny telo amin'ireo dia tranga fisintonana herinaratra tsy misy kaontera ny roa kosa fisintonana herinaratra mialoha ny kaontera. Nohamarinin’ny vadintany sy ny JIRAMA avokoa moa ireo halatra herinaratra ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT