Sosialy

Ambatolampy Nidina an-dalambe ny mpivarotra, mpitatitra, mpandraharaha


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Manao ranolava ny fidinana an-dalambe eto amintsika. Nitokona nilanja sorabaventy avokoa ihany koa omaly ireo mpandraharaha sy mpitatitra ao Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra.

 

 

 

 Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nakarin’ny fanjakana ho avo  roa na telo heny ny hetra alaina amin’izy ireo nefa ny asa tsy mandeha, isika rahateo tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra. Ho an’ireo mpivaro-bilany manokana dia fantatra fa nahitana fiakarany avo roa heny ny hetra alaina amin’izy ireo nefa ny tsena tsy misy. Toraka izany koa ireo tsena lehibe sy tsena manidina. Nomarihin’izy ireo moa fa orinasa Malagasy mba te-hivoatra  izy ireo ary vonona ny hampiroborobo ny vita Malagasy saingy hanaovana antsojay sy mbola tratry ny fanamparam-pahefana indray. Miantso ny filoham-pirenena mba hijery ny tranga mahazo azy ireo araka izany ireto mpandraharaha sy mpitatitra ao Ambatolampy ireto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT