Sosialy

Ambatolampy Nasesin’ilay rangahy naolana ireo zanany 2 vavy


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Rangahy iray 47 taona no naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambatolampy. Voalaza fa nanolana sy nandrahona ho faty ny zanany 2 vavy, 19 sy 15 taona, izy. Mitondra vohoka ankehitriny ilay zokiny. Avy any Est Sabotsy, distrikan'i Belambo izy ireo.

 

 

Voaloham-bady
Tena zanaka naterany izy 2 vavy fa tsy mba zana-badiny, toy ireo tranga matetim-piseho. Nanazava izy mirahavavy fa tena notorian'io rainy io fitiavana. Tsy avelany hanambady izy ireo raha tsy miaraka aminy aloha, satria ny Ray hono no voaloham-bady. Rehefa tsy nanaiky ireto zanany dia naolany. Efa samy naolany in-droa avy, araka ny fanadihadiana nataon'ny zandarimariam-pirenena. Rehefa nahavita ny nataony ilay rangahy dia norahonany hatrany ireo zanany tsy hiteniteny amin'olona raha tsy izany dia ho vonoiny ho faty. Tsy niaraka naolany izy mirahavavy fa nataony tsirairay. Nanomboka ny volana may teo no tsikaritr'ireo fianakaviana fa bevohoka ilay zokiny. Teo vao nanontaniana izay mety ho rain'ny zaza. Niloa-bava ilay tovovavy fa ny rainy ihany no nanolana azy sy rain-janany. Nanaiky tokoa ilay rangahy fa nanao ny habibiana rehefa nanontanian'ny fianakaviana. Nivoaka teo ihany koa ny resaka fa efa voaolany koa ilay vavy kely iray. Nihaiky ny hadisoany teo anatrehan'ny fianakaviana ity lehilahy ity. Nitory teny amin'ny fampanoavana eo anivon'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny rafozan-dahiny. Naharay ST (laharana faha 121/PQS/21) momba ny raharaha ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambatolampy ny 15 jona teo. Nahazo alàlana ihany koa hisambotra io lehilahy ahiana ho tompon'antoka io. Tany Alakamisy/Anosiala, distrikan'Ambohidratrimo izy no tratra, satria nandeha niasa tany.
Very tadidy tampoka
Tamin'ny famotorana, milaza ho tsy mahafantatra sy mahatadidy na inona na inona izy. Ireo fianakaviana sy zanany 2 vavy anefa nanamafy fa teo imason'ny fianakaviana rehetra no nanekeny ny fahadisoany. Noraisina ho mpanafi-keloka manoloana izao raharaha izao ihany koa ny renin'izy 2 vavy. Niaraka natolotra ny fampanoavana ny zoma teo izy mivady ireo. Naiditra am-ponja ilay rangahy taorian'ny fiatrehany ny mpitsara mpanao famotorana misahana ny zaza tsy ampy taona. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny vadiny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tsikaritra tato ho ato ny firongatry ny fanolanana izay ataona havana akaiky an’ilay lasibatr’izany ihany, indrindra, amina toerana ambanivolo tahaka ity tranga iray ity. Takaitran’ny fahasahiranana sy ny tsy fisian’asa vokatry ny krizy ve fa dia maha lasa saina aloha ny antony ?
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT