Telo andro tsy nahazo rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny Fokontany Ambatolampy Antehiroka, Boriborintany fahaenina. Nanomboka ny alatsinainy teo no nitrangan’izany.
Vokany amin’ny 01 ora maraina dia efa mandeha milaha-drano eny amin’ny paompy ny olona ora fivoahan’ny mpamosavy sy ireo mpanao ratsy. Na ny rano hisasana aza mantsy efa tsy misy intsony nefa ny andro mafana, raha araka ny fitarainan’ireo zaza amam-behivavy ao amin’ity Fokontany ity. Tsy maintsy hikarakarana sakafo aloha izay rano kely hita sy hangatahana amin’ireo manana vovon-drano ao an-tanana. Rehefa nijery ny zava-misy teny an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana noho ny fisavoritahan’ny mponina dia nampanantena azy ireo fa tsy maintsy miverina alohan’ny amin’ny 09 ora maraina, omaly ny rano. Tsy tanteraka anefa izany ka nanao fitokonana ny mponina. Manao antso avo amin’ny orinasa JIRAMA araka izany izy ireo mba hijery akaiky ny famatsian-drano eny an- izay tsy maintsy handoavam-bola isam-bolana nefa mbola hifampitadiavana ihany. Na izany aza nizotra tamim-pilaminana ny hetsika nataon’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.