Sosialy

Ambatofotsy sy Andramasina Frezy 15 kg isan’andro sisa no lafon’ny mpamboly iray


  • Talata 25 Aogositra 2020

Mahatratra 1 taonina isan’andro ny vokatra frezy miakatra eto an-drenivohitra avy any Ambatofotsy sy Andramasina.

 

 

Hatramin’ny nisian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika anefa dia tsy mahalafo afa-tsy 15 kg sisa ny mpamokatra iray raha nahatratra 30 kg izany teo aloha. Vokany potika sy lo am-pitoerana fotsiny ny vokatra frezy. Tsy nisy rahateo ny fiara fitateram-bahoaka efa amam-bolana izao ka eny amoron-dalana any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny sisa no manoko frezy hamidy ireo tantsaha mpamokatra. Tsy mbola nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana anefa izy ireo toy ny Tosika Fameno… Nomarihin’ireto mpamokatra frezy eny Ambatofotsy sy Andramasina ireto moa fa tsy misy orinasa mandray ny vokany intsony eto an-drenivohitra efa an-taonany izao. Taloha anefa mba anisan’ny nanampy azy ireo ny SEVIMA…. Vokatra haodina ho lasa kaonfitira. Miantso ny fanjakana Malagasy izy ireo araka izany mba hitady lalam-barotra hahafahany mamoaka ny vokatra vokariny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT