Sosialy

Ambato Boeny Atahorana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Atahorana ny tsy fanjarian-tsakafo mety hihatra amin’ireo ankizy latsaky ny 5 taona amin’ny distrikan’ Ambatoboeny, taorian’ilay ora-mikija teto amintsika nandritra ny herinandro.

 

 

 Ankoatra ireo karazan’aretina miparitaka mantsy dia marobe ireo tsy manana fahafahana ny hisakafo ara-dalàna intsony antony nanosika ny minisitry ny mponina Rtoa Naharimamy Lucien Irmah nidina ifotony tany an-toerana nijery ireo traboina. Taorian’ny dinik’asa niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra tao  an-toerana nanontany ny olana sedrain’ny isan-tokantrano  dia niroso tamin’ny fanolorana fanampiana ho an’ireo  traboina ny minisitra. Ankizy latsaky ny 5 taona miisa 500 no nomeny koba hahafahana mampitombo ny hery fiarovana. Teo ihany ny koa ny ireo kojakojan-tokantrano toy ny sceau, ny koveta , ny lovia, ny  sotro, ny akanjo, ny sakafo toy ny vary, voamaina, siramamy, menaka, ronono, paty…. Nisy koa ny fanomanana sakafo atoandro ho an’ireo ankizy mihoatra ny 5 taona. Nitohy tamin’ny fijerena ireo fokontany rava trano ny fidinana ifotony. Nahatratra 176 mantsy ny trano rava tany amin’ity distrika iray ity ka olona an-jatony maro no traboina.

 

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT