Sosialy

Ambasadaoron’i Inde Mampirisika ny Malagasy hanao Yoga


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Ny 21 jona 2014 no daty voatendrin’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga.

 

Isika eto Madagasikara ihany koa dia hanamarika izay 5 taona izay ary hifarimbona amin’ny fikarakarana izany etsy amin’ny oniversiten’Antananarivo, Esplanade Ankatso, ny 21 jona izao, ity oniversite ity sy ny masoivohon’I Inde. Mampirisika ny Malagasy rehetra mba hanao ity taranja ity moa ny ambasadaoron’i Inde miasa eto amintsika, Abhay Kumar, indrindra, manoloana ny rotorotom-piainana andavanandro iainan’ny Malagasy hitany ankehitriny. Efa miha mitombo rahateo, hoy izy, ny Malagasy manomboka manao Yoga sy resy lahatra amin’ny voka-tsoa azo avy aminy. Fanazarantena ara-batana sy ara-tsaina, manatsara ny fomba fiainana, manatsara ny fahasalamana ary miady amin’ny rarintsaina, hoy ity masoivoho ity ny Yoga ary antony hanaovako azy isa-maraina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT