Sosialy

Ambasadaoro Amerikanina Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Sambany nitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika

na “résilience” azy izy nandritra ny herinandro voalohan’ny volana aogositra nitsidihany tany Atsimo toy ny tany Ampanihy, Ambovombe, Beloha,... Isan’ny nohamafisiny ny fanampian’ny vahoaka amerikana, anisan'izany ny 2,1 tapitrisa dolara avy amin'ny Departemantan'ny Fiarovana ao Etazonia, izay nahafahana nanohana Malagasy maherin’ny 1,5 tapitrisa tamin'ny fiatrehana ny haintany ary nanavotana ain’olona maro nandritra ny amehana sy ny mbola hanavotana fianakaviana maro amin’ny alalan’ny vahaolana lavita ezaka. Nandritra ny fitsidihana izay naharitra dimy andro, nanatri-maso ny fiantraikan'ny fikorontanan’ny toetr’andro amin'ny mponina eny ifotony sy ny maha-zava-dehibe ny fanohanan’i Etazonia, amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), ny fanjariantsakafo any Atsimo, izay iarahana miasa miaraka amin’ny Firenena Mikambana, ny ONG na fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny Governemanta Malagasy. Ny governemanta amerikana dia manolo-tena bebe kokoa amin'ny fampihenana ny fahantrana, ny hanoanana ary ny tsy fanjariantsakafo eto Madagasikara", hoy ny Ambasadaoro Pierangelo taorian’ny fitsidihana izay nataony. "Nandritra ity dia ity no nahitako fomba vaovao sy mahomby hamahana ny fototry ny fahantrana sy ireo olana maro samihafa mety aterak’izany", hoy izy. “Nahita ny hakanton’i Madagasikara aho ary nahatsapa ny herim-pon’ny mponina izay nihaona tamiko ihany koa”, hoy ny Ambasadaoro. “Faly aho fa mbola afaka manampy an’i Madagasikara hiatrika ireo olana maro atrehany ireo hatrany ny governemanta amerikana”, hoy hatrany io diplaomaty io. Nanomboka ny taona 2015, dia nanolotra vola mitentina 346 tapitrisa dolara ho an’ny fanampiana vonjy taitra sy ny fampandrosoana ho an’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara i Etazonia, hoy ny fanazavana
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT