Olona miisa 33, ahitana tera-tany
malagasy miisa 27 sy vahiny 6, no nikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte. Saron'ny mpitandro filaminanana tany amin'ny distrikan'Ambanja izy ireo omaly. Niainga tany Ampasindava, any atsimo andrefan’Ambanja (Faritra Diana) izy ireo, nitondra vedety mitondra ny anarana “Oxoro” hoy ny vaovao. Efa niomana tanteraka anefa ny diany satria nahitana lasantsy 460 litatra, voatahiry anaty bidon miisa 23, tao anatin’ilay sambo kely. Tsy tontosa tamin'ny ora farany anefa izany fikasana izany noho ny fandraisan’andraikitry ny Zandarimaria tao Antsiranana, izay nahasambotra azy ireo talohan' ny fiaingany.Mitohy ny ezaka ataon’ny manampahefana amin’ny ady amin’ny fivezivezena an-tsokosoko sy ny fanondranana olona, izay mety hampidi-doza ny ain’ireo mpandeha tahaka izao manerana ny Faritra maro eto amintsika.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo olona saika haondrana an-tsokosoko any Mayotte
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.