Sosialy

Ambanja Lehilahy iray nahatrarana rongony 6 kilao


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria ao Ambanja amin’ny famongorana ireo asa ratsy any an-toerana.

 

 

 

 Tsy mitsahatra ny manao ny fisafoana  andro aman’alina ireo pôlisy raha araka ny vaovao azo. Misy ireo mandeha fiara eo ihany koa ireo mandeha an-tongotra miditra any  an’ elankelan-trano. Nandritra izany fisafoana izany dia lehilahy iray tokony ho 28 taona no voasambotry ny polisy ny alin’ny 08 hifoha 09 martsa teo  tokony ho tamin’ny 11h30 alina tao  amin’ny Fokontany Beravo II, sektera  Mahavelona any Ambanja . Nilanja gony ity lehilahy ity ka izay no nampiahiahy ny polisy. Niroso tamin’ny fisavana avy hatrany ny entana nentiny ny mpitandro filaminana ka tratra tao ny rongony milanja 6 kilao sy sasany. Nentina tany amin’ny birao ity lehilahy ity nanaovana fanadihadiana. Niaiky izy fa azy ireo rongony ireo. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany ity lehilahy ity ka notazomina vonjimaika any am-ponja.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT