Sosialy

Ambanin’ny rovan’i Manjakamiadana Nametrahana kofehy mena ireo faritra tandidomin-doza


  • Zoma 05 Novambra 2021

Efa hatomotra ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ka maro ireo olona mipetraka amin’ny faritra avo no tandindomin-doza.

 Rehefa latsaka mantsy ny orana dia miteraka fihotsahan’ny tany sy fikorisan’ny vato izay manimba trano sy mety hamoizana ain’olona mihintsy izany. Noho izany dia tonga teny an-toerana ny ekipan’ny BNGRC miaraka amin’ireo solon-tenan’ny eo anivon’ny Faritra, Distrika, CUA, Prefektiora, Sapeurs Pompiers, CPC, ary ny Fokontany hamaritra ireo toerana rehetra izay hatahorana ho tra-doza ary ihany koa hanomezana toromarika ireo mponina amin’ny fepetra tokony ho raisiny raha sanatria misy tranga mampiahiahy na misy loza mitranga mihitsy aza.Ny tanjona amin’izany dia ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay amin’ny loza na tandidondoza izay mety hiantraika amin’izy ireo, ka tokony hiomanan’ireto farany mialoha amin’ny fitrangan-javatra izay mety hiseho.Fokontany 6 no voakasik’ilay faritra tandidomin-doza mivantana, izany hoe 50 ka hatramin’ny 70 metatra miala ny vodi-tanetin’i Manjakamiadana no ametrahana ilay «Bande rouge» izay mamaritra ireo faritra mena.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT