Sosialy

Ambanin’Ampamarinana Fianakaviana 29 tafo no tandindomin-doza…


  • Alakamisy 14 Novambra 2019

Manomboka mirotsaka ny ranon’orana eto an-drenivohitra. Maro ireo faritra ahiana hampidi-doza noho izany toy ireo faritra avo izay misy ireo vatobe mandondona. Ho an’ny fokontany

 

 

 

Ambanin’Ampamarinana manokana raha araka ny fanadihadiana natao dia mbola miisa 29 tafo ireo fianakaviana tena ahiana. Vatobe maromaro mantsy raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany no mbola ahiana hianjera amin’ny trano hipetrahan’izy ireo, antony efa namindrana toerana azy teny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka.  Niverina avokoa ao an-tokantranony indray anefa izy ireo efa volana maromaro izao ka tsy maintsy hitadiavana hevitra. Eo am-pandinihina izay vahaolana maharitra aroso azy ireo ankehitriny ny minisiteran’ny mponina sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ary ny fokontany hisorohana ny loza mety hitranga. Tamin’ny alalan’ny atrikasa mihitsy no nanatanterahan’ny telo tonta ny dinika izay ho fantatra tsy ho ela ny fanapahan-kevitra horaisina hoy  Raharison Jean Claude, filoham-pokontany ao an-toerana. Tsiahivina moa fa manodidina ny folo ireo olona namoy ny ainy teny amin’ny faritra avo tamin’ity taona ity vokatry ny fihotsahan’ny vatobe nateraky ny ranon’orana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT