Sosialy

AMBANDRIKA – MANAKARA Trano 585 tafo indray kilan’ny afo


  • Talata 15 Oktobra 2019

Trano 585 tafo no indray kilan’ny afo hotohoto tsy nisy noraisina intsony omaly atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambandrika, kaominina ambanivohitr’i Manakara.

 

 

 

Trano vita amin’ny hazo avokoa ny ankamaroan’ireo trano may ireo, antony nampitatra haingana ny afo, raha araka ny vaovao azo. Nanampy trotraka ny hafanana miaro rivo-malefaka izay tena  namana akaikin’ny afo mihitsy amin’izao vanim-potoanan’ny main-tany izao. Tafakatra 3.000 isa ireo traboina vokatr’izany ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Voatery nafindra vonjimaika any amin’ny toeran-kafa sy any amin’ireo fianakaviany moa ny ankamaroan’ireo traboina ireo noho ny fanadiovana tsy maintsy hatao amin’ilay toerana sao sanatria mbola misy otrik’afo mampanahy.

 

 

Pati

Legende : May tahaka izao ny tanànan’Ambandrika ao Manaraka( Sary nindramina )

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT