Sosialy

Alika nanaikitr’olona teny Ankadilalampotsy Niakatra eny amin’ny zandary ny raharaha


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Ramatoa iray no voakaikitry ny alika ka naratra mafy omaly teny Ankadilalampotsy teo amina toerana manakaiky Fiangonana iray. Teny an-dalana no fantatra voakaikitra ity ramatoa ity raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ary tena nipetaka mafy mihitsy ilay alika izay hita ho lehibe sy matanjaka tokoa.

Re ihany koa avy eo fa somary namoaka vava sy fandrahonana ny tompon’ilay alika rehefa natao ny fifampiresahana. Milaza fa fianakaviana olona ambony eto amin’ny firenena izy io ka nilaza hoe “ ataovy izay ataonareo, fa tsy olana”. Raha ny vaovao farany voaray omaly hariva moa dia efa niakatra eny amin’ny zandarimariam-pirenena eny Andoharanofotsy ny raharaha ka misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao satria misy milaza fa tena nampirisihana mihitsy ilay alika hanaikitra olona. Ny fanadihadiana irery ihany moa no hahafahana mamantatra ny tena zava-misy marina momba ity trangam-piarahamonina iray ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT