Nahazo tsena manara-penitra ny kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy izany mahazaka mpivarotra manodidina ny 160 isa.
Faly tanteraka ireo mpivarotra ao amin’ity kaominina ity araka izany. Hatramin’izay mantsy dia nipetraka tamin’ny tany hatrany izy ireo rehefa mivarotra no sady mifangaro tsy misy fanavahana. Ankehitriny efa natokatokana isan-tsokajiny avokoa ny entam-barotra rehetra toy ny akoho amam-borona, ny lamba, ny voankazo sy legioma….Raha tsiahivina kely ny tantara dia 231 taona no napetraky ny Mpanjaka Andrianampoinimerina ny tsena tao amin’ity kaominina ity. Efa tena antitra sy koka izy araka izany. Ankehitriny noho ny fangatahan'ny kaominina dia novaina ho manara-penitra izany.Tsy hijaly ho may ny masoandro ary tsy hiladina an-tany intsony ireo mpivarotra manomboka izao. Hilamina ihany koa ny mpividy satria milamina ny tsena izay ahitana ny zavatra rehetra toy ny vokatry ny tany,hena eny hatramin'ny lamba fitafy.Narahina fanolorana solosaina feno ho an'ny kaominina izany noho ny fangatahan'ny Ben'ny tanàna ary vary natao ho masomboly ho an'ny tantsaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.