Toerana isan'ny mahasarika olona i Mantasoa rehefa alatsinain'ny paska. Ambohipihaonan'ny olona an'arivony maro na mety ho an'aliny aza rehefa fotoam-pitsatsanganana tahaka ny paska sy pantekosta.
Ao ireo mponina avy amin'ny kaominina manodidina fa maro be ihany koa ireo avy amin'ny toerana maro samihafa misafidy ny hitsidika an'i Mantasoa hisitraka ny hakantony. Fiara an-jatony maro no mitanjozozotra mihazo any an-toerana, indrindra rehefa paska. Isan'ny mampiavaka azy ny fisian'ny farihy lehibe, ahafahan'ireo mpitsidika mitaingina ireny lakana ireny izay misy ny safidy na handeha amin'ireo tsotra na ny misy maotera, izay 1000 Ar monja dia efa ahafana misitraka izany. Ankoatra ny tanana satria any an-toerana ihany koa no misy ny fasan'i Jean Laborde, dia maro ireo fialam-boly, efa azo lazaina ho ao anatin'ny fotoana miaka-bokatra ka mitobaka ihany ny voankazo samihafa, ny saosisy gasy,... Marihina fa 75km monja miala an'Antananarivo i Mantasoa raha manaraka an'iny RN 2 iny, ka na eo Manjakandriana no mianatsimo ary mivily miantsinana rehefa tonga eo Andriambazaha izay somary ratsy ny lalana, na eo Ambatolaona no mitsofoka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.