Sosialy

Alasora Torana teo am-bavahady ilay vehivavy nitady asa


  • Zoma 24 Febroary 2023

Vehivavy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo raha betsaka no torana teo am-bavahadin’olona teny Alasora omaly hariva.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nandondona tao am-bavahady izy io mba hitady asa, hono. Raha vantany vao tafaresaka tamin’’ilay tompon-trano anefa izy dia torana. Nahatsapa araka izany ny tompon-trano fa mety ho noana ity vehivavy ity, somary nifandimby rahateo ny hafanana sy ny orana omaly niampy ny dian-tongotra ka nomen’izy ireo lasopy. Tsy mbola fantatra na hita moa ny fianakavian’ity vehivavy ity hoy ny vaovao. Fantatra kosa anefa fa ao Ifarihy izy no mipetraka. Navela naka aina moa izy taorian’izany mba hahazoany ainy hahafahany miverina any an-tokantranony indray. Marihina fa miha betsaka ireo olona mitady asa tahaka izao eto amintsika. Tsy vitsy amin’izy ireo no mandeha dia an-tongotra no sady tsy misakafo, antony mahatonga ny sasany ho torana tahaka izao, tranga izay mety hamoizana ny aina tampoka mihitsy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT