Sosialy

ALASORA Tena mijaly rano ny vahoaka


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo mponin’Alasora rehefa tsy misy mpiraharaha mihitsy.

Efa amam-bolana maro mantsy no mijaly rano ny faritra avo ao anatin’ny kaominina. Mbetika mandeha, mbetika tsy misy na dia indray mitete aza eny amin’ny paompon-drano. Tafiakatra 1.500 Ar ny vidin'ny rano 20 litatra vokatr’izany raha 50 Ar no hivarotan'ny Kolorano azy. Mitaraina amin'ny Ben'ny tanana ny vahoaka noho izany satria tena zo fototra ny resaka rano. Inona no azo hatao ankoatry ny mitaraina amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Jirama hoy izy ireo ? Milaza ny teknisianina fa misy milina simba ao Mandroseza ka izay no antony tsy maha-tafiakatra ny rano eny Alasora, inona no tsy hanambaran'ny Jirama izany ao amin'ny pejiny? hoy hatrany ny mponina. Mahaloa faktiora ara-dalana anefa izahay hoy izy ireo. Nomarihin’ireo mponina moa fa tena tsy mahavonjy ilay rano entin’ny fiaraben’ny JIRAMA hatao vonjy tavan’andro iny. Rehefa te ho tonga hoy izy ireo dia tonga, rehefa tsy te-ho tonga dia mijanona ka tsy azo hianteherana. Soa ihany hoy hatrany izy ireo fa hendry ny vahoakan’Alasora ka fahendrena tahaka izany ihany koa no hangatahin’izy ireo ho valiny avy amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA.
Pati
Legende : Tsy mbola voavaha ihany ny olana ara-drano ety Alasora hatreto !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT