Raikitra indray ny delestazy tao Alasora ary saika niteraka korontana omaly.
Tezitra mafy ny olona satria dimy minitra mialoha ny fanombohan'ny baolina izay nifanandrinan'ny ekipam-pirenena Barea sy i Nigeria tamin'ny fito ora hariva. Nidina an-dalambe ny mponina sy ireo mpitia baolina ka raikitra ny fanapahan-dalana satria tsy nahita ny fe-potoana voalohany. Soa ihany fa mbola afaka nanindry fo ka nisy ny nandamina. Niverina ny jiro teo amin' ny fe-potoana faharoa ka samy namonjy fodiana haingana ny mponina ary afaka nijery ny baolina na dia tsy nahita ilay baolina tafiditra voalohany. Marihina fa tany Ambohijanaka sy Iavoloha dia nitrangana fanapahan-jiro toy izany ka nirohitra teny an-dalana avokoa ny mponina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.