Sosialy

ALASORA Nofehezina tao anatin’ny 5 minitra ny fisoratam-panambadiana


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Saika nofoanana avokoa ireo karazana hetsika famoriam-bahoaka nanomboka ny Sabotsy teo. Ankoatra ny fivoriam-bem-pokonolona dia voakasika ihany koa ny fisoratam-panambadiana sy ny mariazy.

 

 

Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia noferana ho 5 minitra monja izany ka ireo mpivady tonga nisoratra, ny tompon’andraikitry ny kaominina ary ireo vavolombelona ihany no afaka nanatrika izany. Tsy nisy ihany koa ny fifandraisan-tanana sy ny fifanorohana toy ny hita tany amina fiangonana Kristianina iray izay nanamasina mariazy. Izany no natao moa dia ho fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus. Mikasika ny fanararaotana nataon’ny sasany tamin’ny Sabotsy teo tamin’ny fampiakarana vidin’entana sy ny fangoronana entana dia kamiao iray lehibe no fantatra fa nandroaka ny entana rehetra teny an-tsena tao Alasora ny Sabotsy teo. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny Ben’ny tanana sy ny ekipany niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana ka ankoatra ny fanaraha-maso ny vidin’entana dia nanaovana fitsirihana ihany koa ireo mpanararaotra mitady hanan-karena tampoka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT