Alasora

Miditra efatra andro androany ny fahatapahan-drano…


  • Talata 26 Septambra 2023

Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,

distrikan’Avaradrano, izay vatsian’ny orinasa JIRAMA. Mijaly fatratra ny mponina vokatr’izany satria na dia ny rano hosotroina sy hidiovana aza dia tena hifampitadiavana. Nisy moa ny fitadiavam-bahaolana nataon’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ireo mpanolon-tsain’ny tanana ka efa nisy omaly Alatsinainy ny fiarabe mpitatitra rano avy amin’ny JIRAMA. Na izany aza tsy naharaka izany. Mbola nitohy omaly hariva fotoana nanoratanay mantsy ny filaharan-drano tao amin’ny Fokontanin’i Miadana amin'izao ora izao. Miantso ny jirama hanamboatra ny fantsona vaky izay fototr’izao olana izao araka izany ny mponina. Efa nanomboka ny Sabotsy teo mantsy no nampandrenesina sy nampahafantarana ny fisian’izao olana izao izy ireo saingy mbola tsy voavaha hatrany ny olana. Nohamafisin’ireo mponina moa fa aina ny rano ary tena ilaina ka tsy tokony hataon’ny JIRAMA kinanga izany na dia misy aza ilay fanateran-drano amin’ny alalan’ny fiarabe izay vahaolana vonjimaika hoentin’izy ireo.
Pati
Legende : Mbola nafotaka tahaka izao ny filaharan-drano teny Alasora omaly hariva !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT