Sosialy

ALASORA Fanasarahana mpivady niady no nidirana am-ponja


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Saika hamonjy ilay ramatoa mpiara-miasa aminy am-bava loza saika notrobaran’ny vadiny zava-maranitra ny maraina ireo dimy lahy no voarohirohy fa nahafaty ilay rangahy ny hariva.

 

 

  Anio no hiatrika fanadihadiana eo amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy, i Ferdinand sy ny mpiara-miasa aminy 5 mianadahy izay nanasaraka mpivady niady kinanjo voarohirohy amin'ny raharaha vono olona. Araka ny fampitam-baovao azo antoka, tonga  niady tamin'ny mpiasa vavy, atao hoe "Fanja" izay mpiara-miasa amin'i Ferdinand ny vadin'io ramatoa io, teo an-tokotanim-piasana, Alasora By-pass, ny faramparan'ny taona teo. Nisy naniraka ary ireo mpiasa lahy dimy niaraka tamin'i Ferdinand mba hamonjy an'i Fanja fa saika hotsindronin'ny vadiny izay efa mamo toaka tamin'ny zava-maranitra ity farany. Niverina  niasa  i Ferdinand sy i Fanja ary ireo efadahy avy eo. Ilay rangahy kosa lasa nandeha, sahabo tamin'ny 9 ora maraina. Nony tamin'ny 5 ora hariva, maty nitsirara teny an-dalana ilay rangahy. Efa voalevina vao nametraka fitoriana ireo fianakaviana ka ireo mpampisaraka ny maraina sy ilay tompom-bady no voatondro fa namono azy. Niakatra fampanoavana ny 9 janoary teo ny raharaha. Nahazo fahafahana vonjimaika i Fanja fa ireo dimy lahy kosa naiditra am-ponja vonjimaika. Anio alarobia 27 febroary no hiakatra eo Anosy izy ireo. Ny mpampiasa azy ireo no miezaka amin'ny fanampiana ara-tsakafo, taratasy, ny zotram-pitsarana. Anisan'ny nampananosarotra ny raharaha izay natrehin'ireo manampahefana ny fitoriana vita fandevenana. Mandeha mantsy ny feo fa ahiana ho diso daozy ny alikaola na namoifo na fahafatesana tahaka ny olona tapitr'andro rehetra ihany ny fahafatesany. Miandry ny valim-pitsarana tena izy ny mpitory izay namoy havana sy ireo voasaringotra.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT